Hamafisina ny fiaraha-miasa eo amin’i Etazonia sy i Madagasikara. Nivoitra izany tamin’ny nandraisan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rafaravavitafika Rasata, tetsy Anosy, ny masoivoho Amerikanina, i Claire Pierangelo. Anisan’izany ny fiarovana ny zo maha olona.
Naneho fiaraha-miory amin’ny fahalasanan’ny mpanao gazety, i Lalaina Nalinjara, ny eo anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina. “Miara-miombon’alahelo amin’ny fianakaviany sy ny mpanao gazety izahay”, hoy ny minisitra, Andriamananoro Augustin.
Hifarana ny 9 febroary izao ny fotoam-pivoriana tsy ara-potoana eo anivon’ny parlemanta. Anisan’ny andrasana amin’izany ny ho lahatenin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine. Tsy teto an-toerana ny tenany tamin’ny fotoam-panokafana.
Nanolotra simenitra sy fitaovam-pianarana ho an’ny sekoly FJKM any Ampasimanatongotra Miarinarivo ny antoko Tim, ny herinandro teo. “Mbola betsaka ny asa hatao ka nanampy azy ireo izahay”, hoy ny mpitarika ny antoko, i Njaka.