INDRAY MIJERY

Nitohy tao Faratsiho, faritra Vakinankaratra, ny faran’ny herinandro lasa teo, ny fanitarana ny fampiofanana arakasa ataon’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Ny famakiana vato sy fandrariana ary fametrahana rarivato no natao tamin’ izany ka vehivavy ny ankamaroan’ireo mpiofana.

Taorian’ny tombana nataon’ireo mpiofana amin’ ny sehatrasa mifandray amin’ny internet, tsapa fa fahombiazana ny vokatry ny fanofanana ny tanora andiany voalohany nokarakarain’ny minisiteran’ny Fam­pianarana teknika sy fanofanana arakasa. Vita ny fiofanan’ireo tanora 202 voafantina hanaraka izany ka notolorana mari-pankasitrahana izy ireo.

Tafiditra ao anatin’ny faritra nahazo fampi­tandremana miloko maitso amin’ny fahabetsahan’ny rotsakorana, anio, ny ao amin’ny distrikan’i Taolagnaro, Befotaka Atsimo ary Ambosary Atsimo. Ho an’ny rahampitso kosa dia ny faritra Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana no hahazo izany rotsakorana izany.

Nihaona ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena sy ny masoivoho japoney, omaly. Manaporofo ny fitohizan’ny fiaraha-miasan’ny MEN sy ity firenena ity, amin’ ny alalan’ny tetikasa “TAFITA/JICA” izany. Miompana amin’ny fanamafisana ny traikefan’ireo FEFFI sy ny fanamafisana ny fari-pahaizan’ny mpianatra amin’ny fanaovana ora fampianarana fanarenana izany.

Partager sur: