Lalam-pirenena RN1: nohamafisina ny tetezamby Antanetimboahangy

Ankoatra ny fametrahana tetezamby, misy asa fanampiny ihany koa ataon’ny Fitan­ta­nam-paritry ny asa vaventy (DRTP) Itasy, any Antane­tim­boahangy Analavory, amin’ny lalam-pirenena voalohany, RN1, eo amin’ny PK 104+800, nanomboka omaly 5 febroary. Nohamafisina ny andrin-tany ao ambanin’ilay tetezamby, izay marihina fa arabe niho­tsahan’ny rano, vokatry ny orambe. Nametrahana rari­hazo sy gonim-pasika, hiaro ny fihotsahan’ny tany.
Asa vonjimaika ity natao ity, fa tsy maintsy havaozina tanteraka ny lalana ary hametrahana tetezana amin’ny fomba maharitra aorian’ny fotoam-pahavaratra. Tsiahi­vina fa indroa nihotsaka ity lalana ity, tamin’izao vanim-potoan’ny orana izao. Niho­tsaka ny arabe tamin’ny voalohany, ary nihotsaka koa ilay tetezamby taty aoriana, ka voatery tsy maintsy nohala­vaina sy nohamafisina ny fidirana ao aminy.
Mizotra araka ny tokony ho izy, ankehitriny, ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena RN1, mampitohy an’Antana­narivo sy Tsiroanomandidy.

Njaka A.

Partager sur: