Mandritra ny taona 2024: tsy tokony hihoatra ny 7,7% ny fiakaran’ny vidim-piainana

Mila paikady mahomby ny fitantanana ny toekerana hisorohana ny fisondrotry ny vidim-piainana, manoloana ny zava-misy maneran-tany. Tsy tokony hihoatra ny 7,7% ny vidim-piainana ho an’ny taona 2024.

Mandalo ady sarotra izao tontolo izao manoloana ny ady miseho any Ukraine, Israël ary ao amin’ny Ranomasina Mena izay ahina hiantraika eo amin’ny toekarena maneran-tany. Voalaza nandritra ny fanolorana ny politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) tetsy Anosy, ny herinandro teo, fa tsy tokony hihoatra ny 7,7% ny tahan’ny fiakaran’ny vidim-piainana mandritra ny taona 2024. Nilaza kosa ny Banky iraisam-pirenena fa vinavinaina hisondrotra manodidina ny 8,5% ny fiakaran’ny vidim-piainana ho an’ny taona 2024-2025, raha toa ka nijanona teo amin’ny 10,5% izany ny taona 2023. Ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (BAD) kosa, nametraka fa manodidina ny 8,2% ny taham-piakaran’ny vidim-piainana ho an’ity taona ity. Na izany aza, tanjona ny hampakarana ny harinkarena faobe ho 4,5% ao anatin’ ny taona 2024. Hiakatra ho 5% izany ho an’ny taona ho avy ka hitohy hatrany. Hiankina betsaka amin’ny famokarana, ny tontolon’ny fandraharahana, ny indostria, ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany ary ny sehatry ny fizahantany izany rehetra izany.

Paikady
Ilaina ny fampiroboroboana ny famokarana sy ny akora fototra mba hiteraka asa ka hampihena ny fanafarana entana avy any ivelany. Tokony ho marin-toerana ny sandam-bola malagasy, amin’ny alalan’ny fitantanana mahomby ny vola miditra amin’ny fanondranana entana any ivelany. Mila jerena manokana ny seha-pihariana volamena, hanatevenana ny kitapombolam-panjakana. Tafiditra ao anatin’izany ny lalàna mifehy ny harena
an-kibon’ny tany sy ny “code des investissements” hitsinjovana ireo seha-pamokarana maro, ahafahana misarika ireo mpam­piasa vola eto an-toerana sy avy any ivelany. Tsiahivina fa mitentina 4 134 miliara Ar ny hetra niditra tamin’ny foibem-pitantanana ankapoben’ny hetra, ny taona 2023 raha toa ka 4786,2 miliara Ar no voavinavina.

Henintsoa Hani

Partager sur: