Efa samy vonona avokoa na ny mpifaninana hitondra avo ny voninahi-pireneny na ny mpikarakara isan-tsokajiny, na ny toerana handray ny fifaninanana. Antenaina ho hetsika tena mahafinaritra sy matihanina tanteraka izy ity, araka izany.
Tanterahina ny 18 febroary 2024 hatramin’ny 9 marsa 2024, any New Delhi sy Mumbai, Inde, ny “Miss World Festival”, andiany faha-71. Ankoatra ny fifaninanana hatsaram-bika sy tarehy, hitsarana azy ireo koa ny fahaizana amam-pahalalany. Eo ihany koa, ny tetikasa mahakasika ny fiarovana ny zon’ny ankizy volavolain’ireo hifaninana, izay anisan’ny mampiavaka ny hetsika.
Tonga ny fotoana hananterahina ny “Miss World Festival”, rehefa nahemotra hatrany noho ny antony maro. Marihina fa “MWF 2023” ity hotontosaina any Inde ity. Izay voahositra ho mpandresy eo, araka izany, no hisalotra ny anarana “Miss World 2023”, mandimby an’i Karolina Bielawska, mpandresin’ny andiany faha-70. Efa samy vonona ny rehetra hifaninana hisalotra izany anaram-boninahitra, anisan’ny lehibe eto amin’izao tontolo izao, izany. Araka ny tatitra farany navoakan’ny mpikarakara hetsika, miisa 103 ireo tovovavy avy amin’ny firenena maro handray anjara amin’ity fifaninanana lehibe ity.
Vonona ny Malagasy solontena
Manana solontena hifaninana amin’ity hetsika ity isika Malagasy, amin’ny alalan-dRajoelina Antsaly, avy eto Analamanga. Izy izay efa “Miss Madagascar 2022”. Ny 7 febroary 2024 izao izy no hanainga hamonjy an’i Inde, toerana hanaovana ny fifaninanana. Raha tamin’ny andiany taloha, tafiditra tao anatin’ny roapolo voalohany ny solontenantsika, tamin’ny alalan’i Anjaratiana Nelie. Ankoatra izay, tanterahina tsy ho ela, aorian’io fifaninanana maneran-tany io, ihany koa ny “Miss Madagascar 2023”, hamaritana indray izay hisolontena an’i Madagasikara amin’ny “Miss World Festival” andiany faha-72.
Lin