Ny rainy ihany no ahina ho tompon’antoka nahafaty an’i Andriano, zazalahy kely vao 5 taona, araka ny fanadihadiana nataon’ny polisy. Mangana ny vatany, nohosena tamin’ny kiraro, nahantona tamin’ny tady ny tendany.
Maty nisy namono tao an-tranon’ny renibeny, i Andriano, zazalahy kely vao dimy taona, ny sabotsy tolakandro. Nivoaka nividy zavatra ilay ramatoabe, monina ao amin’ny fokontany Morafeno, parisela 14/22, Toamasina. Nandritra izay no namonoana ilay zaza.
Hatairana ny an’ny renibeny rehefa tafaverina, ilay zafiny efa mihosin-dra sady mihantona amin’ny tady ao an-trano no novantaniny. Hita tamin’ny fizahana nataon’ny BMH, fa novonoina ilay zaza. Feno mangana ny hatony, nahitana fatotra tady ny tendany, ary nisy hitsaka tamin’ny kiraro ihany koa ny vatany.
Ny rainy
Ny rainy niteraka azy ihany no ahina ho tompon’antoka amin’izao vonoan’olona izao. Efa mpamerin-keloka sy gadralava rahateo izy. Anisan’ ny niampangana azy tamin’izany ny fidorohana zava-mahadomelina mahery vaika. Ny vono niniana natao ny vadiny, izay renin’ity zaza novonoina.
Araka ny angom-baovao natao teny an-toerana, efa nisaraka ny ray aman-drenin’i Andriano. Tsy nahazaka ny fampijaliana sy ny vono ilay ramatoa ka niala ny tokantrano. Tsy afaka nitondra ny zanany ity farany noho ny tahotra ilay rangahy, izay tsy namela azy haka ny zaza. «Nentin’ny tahotra aho dia nanaiky na zoko aza ny naka ny zaza», hoy izy. Tsy nitaiza ny zaza akory anefa ity raim-pianakaviana fa napetrany tany amin’ny reniben-jaza i Andriano.
Eny Tsiafahy
Mirongatra ny herisetra amin’ny zazakely sy ny ankizy tato ho ato. Naiditra eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, ny alakamisy teo, ilay raim-pianakaviana voarohirohy ho namono nahafaty ny zana-badiny teny Manarintsoa Atsinanana. Nalefa eny Antanimora kosa ny reniny izay voalaza fa tsy niraharaha an-janany ka nitarika ny fahafatesany.
Sajo/J.C