Ping pong – “Jeux Africains” : mpilalao valo hiaro ny voninahi-pirenena malagasy

Hotanterahina any Accra, Ghana, ny 8 hatramin’ny 24 marsa ho avy izao, ny fifaninanana afrikanina, andiany faha-13. Ho an’ny taranja tenisy ambony latabatra, mpilalao miisa valo no hiaro ny voninahi-pirenena any an-toerana. Taorian’ny lalao fitsapana natao teny Mahamasina, ny faran’ny herinandro teo. Hi­ampy an-dry Razafindralambo Zo Nandrianina sy Randria­natoandro Luciano ny lisitry ny ekipa lehilahy, raha toa ka hanatevina ny vehivavy ry Rakotonirainy Fitia sy Raha­rijaona Santatriniaina. Tsiahi­vina fa efa ao anatin’ity lisitra ity, ireo tompondakan’i Mada­gasikara tamin’ny taona lasa, Rakotoarisoa Riva, lehilahy sy Rakotondrazaka Océane, vehivavy ary ireo Malagasy mpilalao mila ravinahitra any ivelany miisa roa. Raha ny fanazavana nampitain’ny tale teknika nasionalin’ny taranja ping pong, hanomboka afaka andro vitsy ny fampivondronana ireo mpilalao avy eto an-toerana. Ankoatra izay, ny 16-25 febroary ho avy izao, any Busan Corée du Sud, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ity taranja ity i Madagasikara. Raha tsy misy ny fiovana, ireo mpilalao mila ravinahitra any ivelany ihany no miatrika ity fifanintsanana ity.

Fitia Randria

Partager sur: