« Salon international du tourisme 2024 »: nampahafantarana ny hakanton’ i Nosy Be

Notanterahina nandritra ny telo andro, tany Milan-Italie, ny «Salon international du tou­risme, BIT 2024″, izay nandraisan’i Madagasikara anjara, amin’ny alalan’ireo delegasion’ ny Ofisim-paritry ny fizahantany Nosy Be (ORTNB). Naseho nandritra ireo fotoana ireo ny hakantaon’ny nosy sy ireo mampiavaka azy. « Tombony tamin’ny fandraisana anjara amin’ny hetsika ny fampahafantarana ny harena sy ny zavamanaina misy ao Nosy Be. Tanjona ihany koa ny hampiroborobo ny sehatry ny fizahantany ao an-toerana », hoy ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny ORTNB, Elisabetta Gravelino, nandritra ny hetsika BIT. Tsara toerana ny dele­ga­sion’ny ORTNB noho izy nahazo ny stand B36, teo amin’ ny pavillon fahefatra ny Allianz MiCo an’ny Milan. Toerana izay anisan’ny malalaka sy nahasarika ireo mpitsidika. Seha-pihariana anisan’ny mamelona tokantrano sy fianakaviana maro ny tontolon’ny fizahantany eto Madagasi­kara. Mahatratra hatramin’ny
1 500 000 ireo mpiantsehatra mandraharaha amin’izany.

Etsy ankilany, manodidina ny 1 300 ireo mpandray anjara amin’ny “BIT 2024”, nahatratra hatrany amin’ny 43 000 ireo mpitsidika izay samy liana tamin’ny famantarana ny firenena samihafa.

Henintsoa H.

Partager sur: