Notanterahina nanomboka omaly ny fifaninanana nasionaly taom-pilalaovana 2024, ho an’ny taranja billard. Araka ny fanazavana avy amin’ny fikambanana Voay, natao hifantenana ireo mpilalao hiady ny ho tompondaka maneran-tany “Mondial 2024”, any Malte, ny volana novambra ho avy izao, izy ity.
Nifarana ny 4 febroary lasa teo ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja ski alpin, sokajy junior, izay natao tany Frantsa. Teo amin’ny laharana faha-45 no nisy ilay Malagasy, Mathieu Neumuller. Nahazo isa 137 ny tenany raha nanao ny “Giant Slalom”. Tsiahivina fa efa niatrika ny “lalao Olympika 2022” i Mathieu.
Nifarana ny faran’ny herinandro lasa teo, ny fifaninanana rejionaly, taranja basikety 3×3, tany Alaotra Mangoro. Norombahin’ny ekipa SEBC ny amboara tamin’izany. Izy ireo, araka izany, no solontenan’Alaotra Mangoro amin’ilay fifaninanam-paritra “De la Rue vers l’Or”, hatao eto Antananarivo, ny 16-18 febroary ho avy izao.
Afaka andro vitsy, ho avy ny fanambarana ofisialy mahakasika ilay Frantsay mpilalao baolina kitra, Kylian Mbappé. Raha ny vaovao miely ao anaty tambajotran-tserasera, hifindra ao amin’ny ekipan’ny Real Madrid Espagne ny tenany. Etsy ankilany, ny klioba frantsay Paris Saint Germain FC izay ilalaovany amin’izao, tsy mbola niresaka tamin’i Mbappé.