Bolo etsy amin’ny Ethnika Analakely. Ilay hira “Ravitoto” no nahazoan’i Bolo ny amboara tao amin’ny sokajy “pop solo”, nandritra ny “RDJ Mozika 2023”, ny alahady teo. Ho fankasitrahana ny mpankafy ny fiarahana hatao ny sabotsy 10 febroary izao, manomboka amin’ny 9 ora alina. Maimaimpoana, araka izany, ny fidirana amin’ity “show case” hotontosain’i Bolo ity.
Eric Tselatra eny amin’ny M’Lam Manakambahiny. Misesy ny seho hataon’ireo mpanakanto ato amin’ity toerana ity, ho fanampiana an’i Mikakely sy i Lalie, izay samy tsy salama any amin’ny hopitaly. Mandalo an-tanindrazana ka hitondra ny anjara birikiny koa i Eric Tselatra rahampitso alarobia, manomboka amin’ny 5 ora hariva.
Na ny mpanjifa (mpihaino, mpijery fampisehoana…) aza toa voasarika ihany koa! Saika miompana amin’ny famerenana ireo hiran’ny omaly na ny kalon’ny fahiny na ny vakodrazana tsy fanta-tompo ny mpihira ankehitriny. Mahafinaritra ny maheno azy ireny, satria, mampahatsiahy ny fahazazana sy ny fahatanorana. Saingy, toa azo adika tsotsotra amin’ny hoe, lany mpamoron-kira ny hira malagasy.
Nitombo indray ny boky fanabeazana sy fitaizana, indrindra ny ho an’ny ankizy, navoakan’ny Mpariaka Boky. Miisa roa izy ireo dia ny « Rabitro Tsara Fanahy » sy ny « Mais ou Vont-ils Tous ? ». Mampiavaka ny Mpariaka Boky ny famokarana bokim-panabeazana. Miara-miasa amina mpanoratra sy manam-pahaizana maro izy ireo ao anatin’izany.