Tsara ny vokatra ho an’i Madagasikara, omaly. Tafakatra amin’ny dingana manaraka Andraina Voavy Mitia, vehivavy malagasy mpilalao tenisy.
Notanterahina tany le Caire Egypte, nanomboka omaly, ny fifaninanana “J 200 Cairo”, taranja tenisy, sokajy junior, lahy sy vavy. Raha ho an’ny sokajy vehivavy lalaon’olon-tokana, tafita any amin’ny dingana faharoa Andraina Voavy Mitia. Lavon’ity Malagasy mpilalao ity, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6,4/7,6) i Africa Burillo Berezak, teratany espaniola, nandritra ny dingana voalohany. Iray amin’i Sosanne Malak, solontenan’i Egypte sy i Nour El Ouazzani, Maroc, no hifanandrina amin’i Mitia, amin’ny lalao manaraka.
Ankoatra izay, resy teo amin’ny dingana voalohany i Harena Voaviandraina, raha nifanandrina tamin’i Sofia Hadab, maraokanina, seta 0 no ho 2 (2,6/4,6). Teo amin’ny sokajy lehilahy, lalaon’olon-tokana hatrany, niondrika tamin’ny seta 0 no ho 2 (3,6/0,6), Andriantefihasina Mirija, raha nihaona tamin’ilay mpilalaon’i Afrika Atsimo, Guy Vorwerk. Hiakatra kianja anio kosa, Rakotomalala Mahefa Anthony. Hifandona amin’ity Malagasy ity, ilay maraokanina, Karim Bennani. Tsara marihina fa miisa efatra ireo solontenan’i Madagasikara amin’ity fifaninanana ity.
Hiditra amin’ny lalaon’ olon-droa ny Malagasy
Raha tsy misy ny fiovana farany, hotontosaina manomboka anio ny lalaon’olon-droa ho an’ny sokajy lahy sy vavy. Hifanandrina amin’i Burillo Berezak, teratany espaniola sy i Nour El Ouazzani, Maroc, ry Harena sy Mitia, ho an’ny vehivavy. Hihaona amin’i Francky Martial Hoimian, Côte d’Ivoire sy i Rushil Seewoosurrun, Maurice, ry Mirija sy Mahefa. Tsara ny mampahafantatra fa ry Harena sy Mitia, anisan’ireo mpilalao nitondra avo ny ekipam-pirenena malagasy Akomba, nandritra ny lalaon’ny Nosy natao teto amintsika, ny taona 2023 lasa teo.
Fitia Randria