Mpangalatra telefaonina voasambotra tao amin’ny tranom-barotra iray etsy Behoririka, afakomaly. Efa mpanao io asa ratsy io ity lehilahy ity. Tsikaritry ny mpivarotra ny fihetsiny saingy mbola nikiry naka ny finday amidy ihany io olon-dratsy io. Noraisim-potsiny izy.
Mpamaky trano iray norasain’ny fokonolona antsy ny tendany tao amin’ny fokontany Antsirabe I, kaominina ambanivohitra Antsirabe Avaratra, distrikan’i Vohemar, ny sabotsy 2 febroary teo. Nalainy ny vola 1 tapitrisa Ar. Nifanenjehan’ny fokonolona izy ka nisitrika tao anaty ala. Tratra ka niharan’ny fitsaram-bahoaka. Notsaboina teny anivon’ny hopitaly izy ary mitaky ny hampiharana ny lalàna aminy ny mponina ao an-toerana.
Mpandeha miisa telo naratra mafy vokatry ny lozam-pifamoivoizana tamin’ny lalam-pirenena voalohany, tao Arivonimamo, afakomaly alina. Nitondra fianakaviana io fiara io. Nandeha mafy izy ireo ka tsy voafehin’ny mpamily tampoka ny familiana. Niafara tamin’ny loza ka nentina nihazo ny Hopitaly Be Arivonimamo ireo telo tena voa mafy.
Olona roa naratra nihotsahan’ny rindrim-bato tao Tsiroanomandidy, ny alin’ny 3 hifoha ny 4 febroary teo. Novesaran’ny rotsakorana ka niteraka ny fihotsahana tampoka. Tsy nisy aina nafoy saingy naratra ny olona roa tao amin’ny tokantrano ambany nianjeran’ilay tamboho.