« UTOP 2024 » : 3 000 ireo mpifaninana andrasana

Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina ny 10 ka hatramin’ny 12 mai ho avy izao ny andiany faha-12 amin’ny « Ultra Trail ô Plateaux » (UTOP). Atleta 3 000 no andrasana amin’ity. Hiavaka ny amin’ity, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra, noho ny fisian’ny hazakazaka vaovao dia ny « Master challenge », Utra, hatao mandritra ny telo andro. Hanomboka ny zoma ny fihaonana izay miainga eo Marozevo hatrany Mantasoa. Ny andro faharoa, hatao ny sabotsy, Mantasoa mankany Ambohimiadana ary ny fahatelo, hamitana an’Ambohimiadana hatrany Ambatobe.
Hiavaka koa ny “challenge”, izay “six trail” hatao miala Soamanandray hatrany Ambatobe, ny sabotsy ary ny alahady, Ambohimiadana mankany Ambatobe. Ny fitambaran’ireo no hanome ny filaharana. Eo koa ny fiverenan’ny “X-treme”, mirefy 56 km miala eo Marozevo mankany Mantasoa. Ankoatra izay, hisy koa ny hazakazaka am-bisikilety VTT, miala Ambohimiadana hatrany Ambatobe, ny alahady.

Tompondaka

Partager sur: