Hatao ny 8 febroary izao, ny fiofanana maimaimpoana miompy trondro, eny amin’ny efitrano malalaky ny minisiteran’ny Jono (MPEB) Ampandrianomby, manomboka amin’ny 8 ora 30 mn. Mahakasika ny fiompiana an-dobo, an-tanimbary, ny sakafon-trondro, ny famokarana zana-trondro tilapia sy karpa ny fotoana. Eo koa ny fitantanana.
Miisa 28 000 ny zana-kazo ambolena any Lakandava, distrika Taolagnaro, hanarenana ny sahandriaka. Mamatsy rano ao an-tampon-tanànan’i Taolagnaro ity toerana ity, ka izay no antony hiarovana azy. Teo aminy ihany koa no nanombohan’ny faritra Anosy ny taom-pambolen-kazo 2024, ka miisa 1 679 ny zana-kazo voavoly.
Mahatratra 76,81 dolara ny vidin’ny solika iray barila, omaly, eo amin’ny tsena iraisam-pirenena anglisy “Brent”, izay tonga any amin’ny mpanjifa amin’ny volana marsa 2024. Nidina io vidiny io, raha efa tafakatra 93,33 dolara tamin’ny 27 septambra 2023, saingy efa tafidina 68,45 dolara kosa izany tamin’ny 13 desambra 2023.