Varotra ivelany: 28,5 miliara Ar ny vola nalaina tamin’ny lavanila

Hentitra ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra, Razafindra­vahy Edgard, manoloana ny resabe momba ny fanondranana lavanila. Vonona hampanjaka ny mangarahara ny tenany ka nilaza fa “ao amin’ ny kitapom-bolan’ny CNV (filankevitra nasionaly momba ny lavanila) ny 28,5 miliara Ar tsy nisy nipika”. Ity ilay vola 4 dolara isan-kilao alaina amin’ ny lavanila aondrana any ivelany. Mangarahara ny asa rehetra ary hisokatra amin’ireo izay liana rehetra ny vavahadin-tserasera, hoy hatrany ny tenany. Nohamafisiny omaly, fa hisy ny fitsirihana ireo mpanararaotra sy mpampakatra ny vidin’entana amin’izao vaninandro fahavaratra izao ka hanaovany antso avo amin’ ireo kaomiseran’ny varotra sy ny mpanara-maso ny varotra. Hojerena ihany koa ireo mpanao kolikoly izay fanetriben’ny firenena. Tanterahina ao ana­tin’ny 100 andro ny fametra­hana ireo milina fanodinam-bokatra 25 amin’ireo 75 efa tonga anatin’ny tetikasa “One District One Factory (Odof)”. Mbola hisy koa ny indostria 100 vaovao ho avy izay haparitaka eny anivon’ny kaomi­nina sy hanakaiky ny vahoaka. Ankoatra izay, hatsangana ny indostria roa lehibe hamokatra siramamy sy simenitra ho en­tina mampihena ny fanafarana ireo vokatra ireo any ivelany.

Henintsoa H.

Partager sur: