Tapaka ny lalam-pirenena fahafito (RN7). Fefiky ny rano ny tanànan’i Behenjy, omaly. Sahirana ireo mpampiasa lalana sy ny mponina.
Mijohy ny orana ka miakatra ny rano izay miteraka tondradrano. Vokatr’izany, difotry ny rano ny lalam-pirenena fahafito ao Behenjy, hatramin’ny omaly. Tapaka ny fifamoivoizana noho ny fiakaran’ny rano izay nahatratra hatramin’ny 0,5 metatra ambonin’ny arabe. Nanomboka tamin’ny 9 ora maraina, niditra an-tsehatra nampitsahatra ny fifamoivoizana tao an-toerana ny zandarimariam-pirenena nisorohana ny loza. Nosokafana ny tohodrano miisa telo hivarinan’ny rano. Nitatitra ireo mpivezivezy kosa ny sarety, tarihin-tanana sy ny posy. Niverina tsikelikely tamin’ny laonina io fifamoivoizana io, omaly tolakandro. Na izany aza, nampifandimbiasana ireo fiara nianavaratra sy nianantsimo. Nanome toromarika ny mpitandro filaminana mandrindra ny fifamoivoizana ao an-toerana, fa hisy ny fandraisana fepetra raha toa ka miverina miakatra noho ny ora-mikija ny rano.
Mbola hitohy ny rotsakorana
Raha ny filzan’ny sampan mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby anefa, mbola hitohy ao anatin’ny roan a telo andro manaraka ny rotsakorana, saika manerana ny Nosy. Mbola ahina, noho izany ny fiakaran’ny rano tahaka izao. Mila mailo ny rehetra amin’ny loza mety haterak’izany. Ilaina ihany koa ny fanaraha-maso ny zaza alefa mianatra amin’ny fiakaran’ny rano.
Tsiferana R.