Ho fantatra anio, ny ekipa roa hiatrika ny famaranana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ny ekipam-pirenena, taranja baolina kitra (CAN 2024). Hatao anio, ao amin’ny kianja Bouake sy ao Alassane Ouattara ireo lalao manasa-dalana roa. Anisan’ ny fihaonana andrasan’ny rehetra ny an’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, mpampiantrano, sy ny RD Congo. Hanao valinady amin’ity ny Kongole. Raha tsiahivina, nifandona teo amin’ ny dingana manasa-dalana toa izao, nandritra ny Can 2015, natao tao amin’ny kianja Bata tany Guinée Equatoriale, ny roa tonta. Resin’ny Elefanta, tamin’ny isa mazava 3 no ho 1 ny RD Congo tamin’ izany.
Fito taona aty aoriana, hiverina hifanehitra indray izy ireo. Manana olana anefa ny Ivoarianina, na hilalao eo an-jaridainany sy manoloana ny mpanohana azy, anio. Tsy afaka miakatra kianja ny mpilalao efatra andrin’ny Elefanta. Anisan’ireny, i Serge Aurier, kapiteny sy i Christian Kouame izay samy nahazo karatra mavo roa. Eo koa i Odilon Kossounou sy i Diakité Oumar, nahazo karatra mena. Tsy mbola fantatra izay hisolo azy ireo, amin’ity fihaonana ity.
Lalao hiavaka ihany koa ny an’i Afrika Atsimo sy i Nigeria. Hanala vela amin’i Nigeria ny Bafana Bafana, amin’ity. Nandritra ny Can 2019 no nikatroka farany ny roa tonta, ka 2 no ho 1 nisarahan’izy ireo.
Tompondaka