Fahafatesana hafahafa : tovovavy maty nihantona tao an-tranony

Maty nihantona tao an-tranony i Marinah, vehivavy 20 taona, afakomaly maraina. Ahina ho namono tena noho ny famoizam-po izy.

Nifatotra tady teo amin’ny tendany. Hita faty ni­hantona tao amin’ny trano fonenany ny tovovavy iray 20 taona, omaly. Monina ao Tsararano ambany, Ma­hajanga izy. Vao afaka bakalorea ny taon-dasa, araka ny vaovao niely. Nanam-paniriana ny hanohy fianarana “lalàna” eny amin’ny Anjerima­nontolo izy. Noho ny fahasahirana, tsy ampy ny fahafaha-manaon’ny reniny. Voalaza fa miteraka lonilony matetika aminy sy ny reniny izany. Ity farany izay nilaza tamin’ny zanany fa tsy mbola afaka mampiditra azy eny amin’ny oniversite. Mpamafa lalana rahateo no asany. “Tsy mbola afaka nampiditra azy noho ny fahasahiranana”, hoy ny rahavavin’io vehivavy maty io. Tetsy ankilany, nanohy ny nofinofiny hianatra io lalàna io ilay vehivavy.

Tara fodiana
Tsy nahasakana ilay tovovavy hanohy ny nofinofiny izany. Nivoaka ny trano izy, afakomaly, nitady toerana manome fampiofanana mialoha, hiomanana amin’ny fifaninanana eny amin’ny oniversite. Mbola niresaka tamin’ny reniny izy. Voalazan’ny mponina, tamin’ny tomponandraikitra nizaha ny razana, omaly, fa taraiky tany amin’ny fitadiavana “cours” ilay tovovavy. Nifamaly tamin’ny zokiny vavy izy. Niafara tamin’ny fikapohana azy imasom-bahoaka izany.
Tsy nisy nanampo na inona na inona ny fianakaviany taorian’izay. Nihantona tamin’ny tady tao amin’ny efitrano nisy azy izy, omaly maraina. Tsy nisy aina intsony ilay tovovavy. Nijery ifotony ny zava-nisy ny tomponandraikitra ao an-toerana. Na­nokatra ny fanadihadiana.

Tsiferana R.

Partager sur: