Fan education” : mandefa tanora any ivelany

Hanatanteraka hetsika an­diany fahenina, “Education Global Expo 2024” ny eo anivon’ny Fan Education Agency, ny zoma sy sabotsy izao, etsy Ankorondrano. “Natao ho an’ ireo mpianatra manam-paniriana handranto fianarana any ivelany io hetsika io ary ahitana sampam-piofanana samihafa ny tolotra ho amin’izany”, hoy ny tale jeneraly, i Fanambinana, tetsy Antani­mena, omaly. Anisan’ireo firenena andefasan’izy ireo mpianatra ny any Canada, Eta­zo­nia hatrany Allemagne sy i Soisa. Eo koa ireo mihazo ny any Inde sy Malaisie. Ma­nam­py izany, ny aty amin’ireo firenena amin’ny ranomasimbe Indianina. Manohana sy ma­nam­py ireo tanora eo amin’ny fanamorana ny fikarakarana ny antontan-taratasy sy ny dingana samihafa ny Fan education agency. “Mianto-tena ny mpianatra. Efa misy ny fiaraha-miasa amin’ireo oniversite any amin’ireo firenena ireo amin’izany… Iaraha-mijery koa ny trano fonenan’ireo tanora”, hoy ihany izy. Nanteriny fa manaraka ny fenitra iraisam-pirenena avokoa izany rehetra izany. Arakaraka ny firenena kosa anefa ny sarany ilaina amin’izany. Nambarany fa ma­ro ireo tanora efa nampian’izy ireo amin’ny fiofanana any ivelany tahaka izao ary efa miasa amin’ny orinasa eto an-toerana na koa nisafidy ny hijanona any amin’ny firenena ianarany. “Mitondra fivoarana ho an’ny maha olona eo amin’ireo tanora izany ary ahitany zava-baovao koa”, hoy ihany izy ireo.

Synèse R.

Partager sur: