Nalefa eny amin’ny HCC ny raharaham-pitsarana ho an’ny depiote Ralambozafimbololona Fetra, araka ny didy savaravina, omaly. Mihemotra amin’ny 12 marsa izany ny didy. Herintaona sazy mihantona kosa ho an’ireo voasambotra tamin’ny hetsika fotsy.
Samy voaheloka 30 volana an-tranomaizina sazy mihantona ny filohan’ny Seces Sampana Antananarivo, Pr Ravelonirina Sammy Grégoire sy ny filohan’ny Randrana Sendikaly, Rakotomanga Barison. Niakatra fitsarana ny 12 desambra teo izy ireo ary izao nivoaka izao ny didy.
Nanamafy ny fanambarany ny ARFM fa hanomboka anio ny hetsi-bahoaka. “Ho fanavotam-pirenena izany ka hiroso amin’ny fitokonana faobe. Hakatso ny asam-panjakana rehetra ary hidiana ny seranana sy ny ladoany. Tsy hakana alalana ny hetsika”, hoy izy ireo.
Nivoaka ny fonja rehefa nahavita ny saziny 44 volana Ravelomanantsoa Be-Rija. Anisan’ny vesatra niampangana azy ny faniratsirana ny mpitondra fanjakana sy ny fanakorontanana. Naiditra am-ponja teny Antanimora ny volana jona 2020 ny tenany.