Holafitry ny infirimiera : nitory ireo 20 voalaza ho mpisandoka

Miroso ny fanenjehana ireo olona misandoka ho  infirmiera nefa tsy nanaraka fiofanana. Ireo manana diplaoma indray no tsy voasoratra anarana ao anatin’ny «tableau de l’ordre» ka sokajiana ho mpisandoka, hoy ny filohan’ny holafitra. Olona 20 no efa nametrahana fitoriana tamin’ity herinandro ity. Miangavy ireo infimiera rehetra izy hanatona ny biraom-paritry ny holafitra na ny birao foibe raha mahita tranga fisandohana ataon’ny olona amin’ny faritra misy azy ireo.
Nohamafisiny, efa misokatra ny tranonkalan’ny filankevitry ny holafitry. Hatao amin’ny internet ny fisoratana anarana na ny fanavaozana ny karatra maha mpikambana. Tokony handalo eny anivon’ny biraom-paritry ny holafitra ny fangatahana miaraka amin’ny antontan-taratasy. Omena iray volana ny  infirmiera hikarakarana izany.
Voasokajy ho manao asa tsy ara-dalàna izy ireo raha tsy voasoratra ao anatin’ny “tableau de l’ordre”. Tsy afaka miaro ny infirimera manana olana ny holafitra raha tsy voasoratra ao anatin’ny lisitry izy ireo. Tsy afaka manome ny taratasy fanamarinana ny fitondran-tena tsara izay mety ilain’ny rafitra sasany ihany koa.

Vonjy A.

Partager sur: