Pnud : tantsoroka hanatanterahana ny IEM

Atao eto Antananarivo, omaly sy anio, ny atrikasa momba ny fiaraha-miasan’ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana ho an’ny fampandrosoana (Pnud) sy ny fanjakana malagasy. Voakasik’izany ny tombana ny Fandaharanasa fiaraha-miasa (CPD) ho an’ny taom-piasana 2021-2023 sy ny vinavina ho an’ny taona 2024-2028.
Nisolo tena ny minisitry ny Toekarena sy ny tetibola (MEF), ny sekretera jeneraly (SG), Ramanampanoharana Andry. Notsipihiny fa endriky ny tantsoroka ataon’ny Pnud, hanatanterahana ny IEM ny famolavolana ny fandaharanasa hiarahan’ny roa tonta, hampandrosoana an’i Madagasikara.
Nanamafy izany, ny solontena maharitry ny Pnud eto amintsika, Rtoa Natasha Van Rijn. « Marin-toerana ny fiaraha-miasantsika roa tonta, ary ho azo antoka fa hahomby ity fiaraha-miasa vaovao ity mba hitondra soa ho an’ny vahoaka malagasy », hoy izy.
Miompana amin’ny laharam-pahamehana telo ny CPD ho an’ny taona 2024-2028. Ny fitantanan-draharaha demokratika sy ny fanjakana tan-dalàna, ny fitomboana ara-toekarena tsapan’ny rehetra sy ny fampandrosoana maharitra ary ny fanamafisana ny fahafahana miatrika ny zava-misy mba hisandratan’ny toekarena sy ny fampandrosoana isam-paritra.

Njaka A.

Partager sur: