Reniranon’i Sisaony : loza manambana ho an’ ny lemak’Antananarivo

Miakatra be ny rano manodidina ny lemak’Antananarivo. Efa miloko mavo na loza manambana ny fanairana ho an’ny mponina amin’ny fiakaran’ny reniranon’i Sisaony.

Nahazo filazana loza ma­nambana, miloko mavo ny lemak’Antananarivo lalovan’ny reniranon’i Sisaony sy ireo kaominina manodidina toy ny ao Tsiafahy, Androhibe, Antsahadinta, Bongatsara, An­tanetikely Ambohijoky, Ala­ts­inainy Ambazaha, Ampa­hitrosy, Soalandy, Ampanefy, Soavina, Anosizato Andre­fana, Ampitatafika, Amba­va­ha­ditokana, Fenoarivo, Itaosy, Ambohitrimanjaka, Fiadanana ary Ampangabe.
Nahatratra 1,97m ny haavon’i Sisaony eo amin’ny maridrefin’Ampitatafika. Niakatra 0,79m ny rano tao anatin’ny ora telo. Mbola hitohy hiakatra izany. Tratra ny 2,50m, refy fanairana loza manambana miloko mavo eo Ampitatafika. Araka ny tombana omaly, nisy ny rano-trambo teny an-toerana. Mitaky fahamailoana sy fitandremana avy amin’ny mponina izany.

Samy mitandrina
Tsy mbola misy ny tondradrano, tsy misy ny traboina hatreto ho an’Antananarivo Reni­vo­hitra. Efa misy ny trano milomano anaty rano eny amin’ny lemak’i Betsimitatatra. Nitohy ny rotsakorana, omaly tontolo tamin’ny faritra maro teto an-drenivohitra. Somary nanilana izany saingy nampiakatra tsikelikely ny renirano. Misy ny antso ataon’ny tomponandraikitra, amin’ny famonjena ny toerana azo antoka avy hatrany ho an’ireo olona mipetraka manamorona an’i Sisaony.
Toraka izany, ny famindrana toerana ireo biby fiompy sy ny antontan-taratasy saro-pady ary ny entana sarobidy. Iantefan’ny fanentanana koa ireo mampiasa ny renirano amin’ny fivelomana : mpanasa lamba, na mpitatry mpampita olona amin’ny lakana, na ny ireo maka fasika,sns.

Tatiana A

Partager sur: