Hanainga, anio, hihazo an’i Qatar, ny solontena malagasy, taranja lomano, hiatrika ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany. Malagasy mpilomano roa no fantatra fa hifaninana amin’izany, ahitana an’i Tendrinavalona Idealy sy Rahavel Jonathan. Vonona ny hiaro ny voninahi-pirenena ireto solontena ireto.
Lavon’ilay maraokanina mpilalao tenisy, Karim Bennani tamin’ny seta 2 no ho 0 (6,0/6,2) ilay Malagasy mpilalao, Rakotomalala Mahefa Anthony, omaly. Lalao tafiditra amin’ny andro faharoan’ny fifaninanana “J200 Cairo”, izay atao any Le Caire, Egypte, ny 5-10 febroary ho avy izao. Hiakatra kianja anio kosa i Voavy Mitia.
Notanterahina ny alahady lasa teo teny Antsahadinta, ny “Madagascar Enduro Challenge” (MEC). Norombahan-dRazafindrakoto Finaritra ny amboara tamin’izany ho an’ny sokajy “expert”. Tsiahivina fa ny 11 febroary ho avy izao, any Antsirabe, hisy ny fifaninanana nasionaly 2024, dingana faharoa.
Nanapa-kevitra ny hiala, tsy ho filohan’ny federasiona ny baolina kitra ao Cameroun i Samuel Eto’o. Araka ny fikarohana natao omaly, maro tamin’ ireo mpikambana mpanatanteraka no tsy nanaiky io fanapahan-keviny io ka mijanona ho filohan’ny FECAFOOT ihany ny tenany.