“Talent show”, eny amin’ny Centre Arrupe Magagasikara. Eny Faravohitra ity hetsika ity, anio atoandro, manomboka amin’ny 12 ora sy sasany. Vahiny voalohany mandritra ny hetsika i Navin, mpamoron-dihy sy mpandihy ary mpihira. Hitafatafa sy hitarika ny dihy koa ity mpanakanto ity mandritra izany. Maimaimpoana ny hetsika.
“Silo Quartet – No Comment Isoraka”. Notazominy ny faha-13 amin‘ny volana, saingy tsy zoma fotsiny amin’ity. Amin’ny talata heriny ny fotoana homen’i Silo sy ny namany ireo mpankafy ny mozikany, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Hifampizara sehatra aminy mandritra izany i Jimmy B Zaöto, Joosia ary i Sanda.
Tanterahina ny 10 febroary 2024, eny amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka, ny fampahafantarana ny katalaogy “Hakanto Contemporary”. Boky voalohany natontan’ny Hakanto Contemporary sy ny Revue Noire izy ity, mirakitra ireo fampiratina enina natao tao amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka, ny taona 2020 hatramin’ny 2023.
Manomboka mirona any amin’ny fampianarana ampitain-davitra ny kanto malagasy. Hianatra mitendry zavamaneno, mihira, hanao sary hosodoko, handihy… Saika efa vita ka miroso amin’ny ampitain-davitra avokoa. Tsy mahasolo fampianarana mivantana anefa izy ireny, raha ny fandiniky ny manampahaizana. Anisan’ny lesoka lehibe nolazain’ireto manampahaizana ireto ny tsy fisian’ny maso mifampijery eo amin’ny mpampianatra sy ny mpianatra.