Tia Kitra FC sy Jet Kintana : mitaky ny fampiharana ny lalàna ny filohany

Afaka andro vitsy, hanomboka ny fifaninanam-pirenena « Pureplay Football League (PFL) » , taranja baolina kitra. Miantso ireo mpitantana ny klioba Jet Kintana Itasy sy ny Tia Kitra Toamasina, manoloana ny fampiharan-dalàna.

Nampahafantarina, omaly, teny Anosy fa mihintsana any amin’ny diviziona faharoa ny Tia Kitra FC Toamasina sy ny Jet Kintana Itasy. Manoloana io fanapahan-kevitra noraisin’ny CFEM io, mitaky ny hampiharana ny lalàna ny filohan’ny klioba roa tonta. Araka ny fanazavana nataon’izy ireo, misy klioba efatra tokony tsy hanohy ny fifaninanana intsony nandritra ny «Orange Pro League» (izay lasa PFL ankehitriny), ny taom-pilalaovana 2022-2023 raha nampiharina ny lalàna.
Anisan’izany ny Uscafoot, ny 3FB Toliara, ny Asa Diana, ny TFFC. Tsiahivina fa ny 26 novambra 2022, «forfait» ny Asa Diana raha nihaona ta­min’ny AS Fanalamanga. Tsy niatrika ny lalao tokony hihaonany amin’ny Jet Kintana ny 3FB Toliara, ny 11 desambra 2022. Ny 30 avrily 2023, «forfait» ny Uscafoot raha nifanandrina tamin’ny Asa Diana. Tsy nifanandrina tamin’ny Ajesaia ny TFFC, ny 30 avrily 2023.
Milaza ny lalàna fa izay klioba tsy miatrika fihaonana dia tsy afa-manohy ny lalao intsony ary tokony handoa sazy, izay mitentina 10 tapitrisa Ariary. Miampy tsy fahafahana miatrika ny fifaninanan’ny CFEM mandritra ny roa taona.

Tokony hisy ny fifaninanana «repêchage»
Nampahafantarin’izy ireo tamin’io fotoana io fa tokony hanao ilay fifaninanana “Tour­noi de repêchage” miaraka amin’ireo klioba efatra “forfait” izy ireo, ny 10 desambra lasa teo, teto Antananarivo. Noho ny tsy fahafahan’ny TFFC sy ny 3FB Toliara, tsy natao izany. Taorian’io, nilaza ny lehiben’ny CFEM fa ireo ekipa roa tsy afaka ireo no milatsaka any amin’ny diviziona faharoa. «Miantso ny tomponandraikitra ao amin’ny CFEM izahay mba hihaino ny fangatahana ataonay, mba hanatsarana ny baolina kitra”, hoy ireo filoha roa lahy. Nampahatsiahivin’izy ireo fa vokatry ny tsy fifampiresahana nisy tamin’ny mpitantana baolina kitra teto amintsika sy ny filohan’ny klioba no naharava ireo klioba sangany sasany teto Madagasikara.

Fitia Randria

Partager sur: