Tsy mila mandrimandry

 

Raha mbola tsy misinda akory ny valanareti-maso, izay efa mielipatrana manerana ny Nosy, mananontanona indray ny aretina mivalan-dra na ny « Choléra ». Tsy mbola misy ny trangan’aretina eto Madagasikara, saingy ny fahamailoana no efa tsy maintsy atao. Efa naka fepetra ny avy amin’ny fiadidiana ny governoran’i Mahajanga. Nanao be midina teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato ihany koa ny solontenan’ny governemanta.
Zava-dehibe ny fisorohana mialoha ny aretina, indrindra anatin’ny vanim-potoanan’ ny loto sy ny ranobe toy izao. Vanim-potoana manome vahana ny valanaretina ka ilana fitandremana avy amin’ny tsirairay. Tsy ny fitondram-panjakana velively no afaka hiaro voalohany ny tena sy ny ankohonana. Tsy ny manampahefana no hanary fako sy hanentsina ny lakandrano amin’ny zaoridiran’ny tokantrano tsirairay.
Sanatrian’ny vava ny masiaka, fa zary mahavantana antsika Malagasy ny mitady olona hanilihana andraikitra, isaky ny misy ny voina na tsy fahombiazana. Tsy misy aretina ho voasoroky ny politika fa ny fahatsapan-tena sy ny fananana toe-tsaina madio no afaka manadio sy mitondra fanadiovana.
Loza mitatao ho an’ny fiarahamonina malagasy ny aretina mivalan-dra. Tsy hiandry tranga tonga avy any Comores vao samy hikoropaka. Dieny izao, mila averina ny fahazarana manasa tanana. Raha misy ny hoenti-manana, mba mividy savony. Izany ve hoy isika dia mila tenenina? Tsy an-jaza ihany koa anie ny vidin-tsavony! Efa mahavidy vary iray kapoaka sy tapany, sakafon’ny tokantrano iray marefo anatin’ny iray andro.
Na izany aza, tsy atao sakana tsy hampadio anefa ny fahantrana. Tsy tokony hialokaloka anatin’ny havoretrana ny olona sahirana. Ny ratsy mitondra zava-dratsy, ny miabo ihany no mampiakatra “sanjila”!

r.r

Partager sur: