Mampivarahontsana ! Izay no azo ilazana ny zava-niseho tao amin’ny Hopitalibe Toamasina, omaly. Zazakely menavava antsoina hoe Tafitasoa Angelico, vao iray volana monja no narian-dreniny (avy any Ambositra) tao amin’ny efitra fidiovana. Raha ny fampitam-baovao, tsy salama io zazakely io ka nentina tao amin’ny dokotera misahana manokana ny fitsaboana zazakely eo anivon’ny Hopitalibe Toamasina. Nivoaka ny hopitaly izy mianaka ka niteny tamin’ny tomponandraikitra iray mikarakara ny fanadiovana ny trano fidiovana fa hapetrany vetivety eo ilay zanany. «Apetrako aminao eto ity zanako ity fa misy zavatra hojereko kely», hoy izy tamin’ireo mpiasa. Lasa tokoa izy saingy tsy niverina intsony taorian’izay. Nony efa lasa izy dia nantsoiny ny rain’io zaza io ka nolazainy hoe «navelako ao amin’ny Hopitalibe ao ny zanakao fa tsy vitako», hoy izy niresaka tamim-badiny tamin’ny telefaonina. Fantatr’ireo tomponandraikitra ao amin’ny Hopitalibe ny rain’i Tafitasoa ka nantsoin’izy ireo tamin’ny finday. Valin-teny hafahafa anefa no nasetriny ny antson’ireo tomponandraikitra ao amin’ny hopitaly. «Tsy vitako ny mitaiza io zaza io fa tsy misy nono omena azy aho», hoy ity raim-pianakaviana tsy nety nandray andraikitra. Raha ny fampitam-baovao voaray hatramin’ny omaly, mbola ao amin’ny Hopitalibe i Tafitasoa.
Tena mahazo vahana loatra tato ho ato ny herisetra mianjady amin’ny zazakely toy izao. Tokony hohamafisina koa ny sazy henjana homena ireo ray aman-dreny mandao sy/na manary ny zanany tahaka ity tranga ity. Ireo zazakely hatrany no mitondra faisana amin’ny hadalan’ireo ray aman-dreniny.
J.C