Efa any Toliara ry Rajery sy ny ekipany, nanombokany alatsinainy teo. Omaly talata, efa nitarika ny fihaonana amin’ireo mpanakanto any an-toerana, izay liana amin’ny mozika miaina ity andrarezin’ny valiha ity. Fizarana traikefa kokoa fa tsy fampianarana no nentin-dRajery. Maro ireo manan-talenta any Toliara, indrindra ireo mpanakanto mifanerasera ao amin’ny Vakok’Arts Trano. Miara-miketrika mozika mandritra ny andro vitsivitsy izy ireo, izay heverina fa hisy vokany tsara azo haroso ireo mpankafy.
Hiaka-tsehatra ao amin’ity toerana ity rahateo Rajery ny zoma 9 febroary izao, manomboka amin’ny 8 ora alina. Hiaraka aminy mandritra izany i Jery eo amin’ny gitara ary i Tojo eo amin’ny zavamaneno ravaka. Mavaza loatra fa amin’io koa ny hiakaran’ireo mpanakanto avy ao an-toerana, niara-niketrika tamin-dRajery. Mety ho fanombohana sy fisokafan’ny lalana ho an’ny tohiny eo amin’ny tsenan’ny mozika ny fiarahan’ireo mpanakanto vao miaka-daza sy ireo efa voky traikefa toa an-dRajery.
Zo ny Aina