Vaky fasana: razana iray sisa navelan’ny olon-dratsy

Mirongatra indray ny vaky fasana, tato ho ato, raha somary efa nangingina izany teo aloha. Lasan’ny jiolahy ny razana rehetra tao am-pasana, tamina fasan-drazana iray eny Ambohidava Ambato­lampy Tsimahafotsy, afakomaly. Novakin’ireo olon-dratsy ny fasana ka notetezin’ireo ny razana tao am-pasana. Lasan’ireo mpangalatra avokoa ny taolambalo rehetra. Tsy vitan’izay fa naparitak’izy ireo tao am-pasana ny lambamena rehefa avy nalainy ny taolana. Nilaza ho tsy nahita trangan-javatra hafahafa nandritra izao fahavakisana izao ny mponina eny amin’ny manodidina. Somary misintaka lavidavika miala ny tanàna rahateo ity fasana ity sady mangina tsy misy mpivezivezy. Nanao izay ho afany mihitsy ry zalahy tao am-pasana satria mangina ny toerana. Olona nandalo vao maraina teo akaikin’io fasana io no nahatsikaritra ny fisokafany. Nampandrenesina haingana ny filohan’ny fokontany sy ny zandary taorian’izay. Tonga teny an-toerana ny fianakaviana izay nanamafy fa efa tsy nisy mpandevina io fasana io. Razana ampolo taona daholo ireo tao am-pasana ireo. Razamben’ireo fianakaviana ireo mihitsy ireo lasan’ny mpangalatra. Nahavariana ny rehetra tamin’ity vaky fasana ity, nisy fasana ihany teo amin’ny manodidina saingy io lehibe io no lasibatra. Mitohy ny fanarahan-dia ataon’ny zandary. Tsy mbola nisy olona ahina na tratra amin’izao raharaha izao.

J.C

Partager sur: