VAOVAO TAMBATRA

Vinavinaina ho 4,5% ny fitomboana ara-toekarena amin’ity taona 2024 ity. Anisan’ny tena hananana ny lanjany ny seha-pihariana matanjaka, toy ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany indostrialy, ny fambolena ary ny fizahantany. Misy ny paikady manokana ataon’ny fanjakana hanatrarana ireo tanjona ireo.

Mitohy ny fanofanana ireo mpandraharaha mpiompy trondro manerana ny Nosy. Resahina manokana amin’izany ireo teknika fiompiana trondro matihanina sy moderina tamina toerana maro toy ny tao amin’ny faritra Atsinanana (Toamasina I, Foulpointe), faritra Analamanga ary faritr’i Menabe, Miandrivazo.

Kaoperativa mpamokatra vary miisa fito avy ao Morarano Chrome no nisitraka fiofanana momba ny lalàna mifehy ny orinasa kaoperativa. Tanjona ny hifehezany ny lalàna vaovao mifehy azy sy ny fandraharahana ataony mba ho matihanina sy hahaleo tena. Mahazo tohana avy amin’ny tetikasa Papriz Jica ireto kaoperativa ireto.

Mirefy 105 ha ny velaran-tany nambolena honko any Sabora, distrika Belo sur Tsiribihina sy Lovobe kaominina Bemanonga, distrika Morondava. Nanatanteraka izany ireo orinasa mitrandraka tsitsiky any amin’ny fari-dranomasina Menabe, ny Pêcherie de Nosy Be, ny Somapêche ary ny Réfrigépêche. Miara-miasa amin’ny mpanjono izy ireo amin’izany.

Partager sur: