Vondrona eoropeanina : mamaly ny fenitra takina ny lavanila malagasy

Nahomby ny dinika! Afaka miditra malalaka eo amin’ny tsena eoropeanina ny lavanila taorian’ny adisisika nataon’ny fanjakana malagasy, tamin’ny alalan’ny minisitry ny Fampiro­boroboana ny indostria sy ny varotra (MIC), Razafindravahy Edgard sy ny ekipany. Ny alatsinainy teo, namoaka didy momba ny fatra farany ambony amin’ny tahan’ny «ni­­co­tine» hita amin’ireo vokatra sasantsany ny parlemanta sy ny filankevitra eoropeana. Noho izany, naverina ho 0,3mg/kilao ny tahan’ny «nicotine» takina anatin’ny lavanila. Fanapahan-kevitra izay hampitombo ny vokatra avy eto Madagasikara hiditra eo amin’ny tsena eoropoanina. Tsiahivina fa navoakan’ny vondrona eoropenina (UE), ny volana septambra 2022 teo, ny lalàna mifehy ny tahan’ny “nicotine” ka nametra izany ho 0,02mg/ kilao. Fepetra izay niantraika mivantana tamin’ny mpamboly sy ny mpandraharaha, satria mihoatra an’io tokoa ny tahan’ny ankabeazan’ny vokatra avy eto amintsika. Natahorana hiantraika amin’ny toekarena ihany koa izany noho ny sehatry ny lavanila izay anisan’ny mampidi-bola vahiny betsaka ao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana.

Hiaka-bidy

Tombonana hidina manodidina hatrany amin’ny 30% ny vokatra lavanila amin’ny taom-piotazana manaraka eo, noho ny fiovaovan’ny toetr’andro misy amin’izao fotoana. Hisondrotra manaraka izany ny vidiny izay ho tombony ho an’ny tantsaha mpamokatra. Hitombo, araka izany, ny filana eo amin’ny tsena anatiny sy ivelany.

Henintsoa Hani

Partager sur: