Maty voatifitra ny jiolahy iray, mpanendaka sy mpampihorohoro eny 67 Ha sy ny manodidina. Tafaporitsaka ka ifampitadiavana ny namany.
Nirefotra ny basy ! Lavon’ ny balan’ny polisy avy ao amin’ny CSP7 ny jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana miharo herisetra eny amin’ny Ravitoto-Baobab ao 67 Ha, omaly vao mangiran-dratsy. Naharay loharanom-baovao marim-pototra ny mpitandro filaminana fa mikasa hanao ny asa ratsiny ireo jiolahy ireo ny alin’ny talata 6 febroary teo. Nanao ny paikady rehetra hanaraha-maso sy hanatrarana ireo olon-dratsy ireo ny polisy. Nifanehatra tamin’ny mpanara-dia azy tokoa ireo jiolahy telo lahy. Nanao tongotra an-katoka avy hatrany izy ireo rehefa nahatazana ny mpitandro filaminana. Nanome baiko tsy handosiran’ireo mpanendaka eny amin’ny manodidina ny 67 Ha ireo ny polisy. Tetsy ankilany, nanao izay ho afany nitsoaka ny fisamborana azy ireo telo lahy. Nitondra antsy lava, namaly ny polisy nanao ny asany ny iray ka voatifitra tamin’io fotoana io.
Nandositra anaty elakela-trano
Poa toy izay, tsy hita popoka ny nandosiran’ireo roa lahy naman’io jiolahy lavo io. Efa mpanendaka ikoizana nampitaraina ny mponina eny amin’ ny 67 Ha sy ny manodidina ireo jiolahy nifanenjehana ireo, araka ny fanazavan’ny polisy. Naterina eny amin’ny tranom-patin’ny hopitaly ilay jiolahy lavo. Mitohy kosa ny fikarohan’ny mpitandro filaminana ireo namany roa lahy. Marihina, anisan’ny toerana voasokajy ho faritra mena amin’ny fifamezivezen’ny mpandeha an-tongotra amin’ny alina eny 67 Ha.
Tsiferana R.