Tanterahina eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, ny 12 hatramin’ny 24 febroary 2024, ny fampirantiana «Fractures Quantiques», tontosain’i Andy Dominique Rak, Malagasy mpahay kanto sy mpikirakira teknolojia. Somary miavaka sy mialakely amin’ny mahazatra izy ity, noho izy mampahafantatra ny fifandraisana, izay somary manjavozavo, eo amin’ ny maha olombelona sy ny teknolojia. Hitarika ny saina handinika ny mahakasika ny tontolo artifisialy ihany koa i Andy Dominique Rak, mandritra izany.
Manambara ny mety hisian’ ny faharavana amin’ny safidy hafa, izay mahatonga ny fisaintsainana ny fiantraikan’ ny fiankinantsika amin’ny teknolojia, ny fampirantiana. Ny fahitana ny zava-misy ankehitriny no nampametra-panontaniana ity mpahay kanto ity mahakasika ny maha izy ny fiarahamonina manoloana ny fahaizana voatrolombelona. Mitondra mankany amin’ny dia mety ho tara loatra saingy tsy azo ihodivirana izy ary mametraka voka-dratsy tsy azo ovaina amin’ny fiarahamonina. Amin’ity indray mitoraka ity, taratry ny safidy tsy azo ialana sy aloka mivelatra amin’ny hoavintsika ny haikanto.
Ankoatra ny maha mpahay kanto, misehatra ary anisan’ny miangaly ny resaka teknolojia sy sy ny tontolony ihany koa i Andy Dominique Rak. Any Londres Angleterre izy amin’izao fotoana, ary mandray anjara amin’ny tetikasa maro eo amin’ny resaka teknolojia sy ny haitao ara-kajy mirindra.
Lin