Ny volana manodidina ny fiandohan’ny taona vaovao toa izao ny fotoana mahasarika ny olona hividy entana sy kojakoja ao an-tokantrano, raha ny fanadihadiana natao. Eo anelanelan’ny volana desambra hatramin’ny volana marsa eo izany, raha ny fanazavan’ny mpivarotra nanontaniana.
Maro ny antony mahatonga ny ankamaroan’ny olona manavao sy manolo ireo fitaovana sy entana ao an-trano. Eo ny fanatsarana sy fanomezana endrika vaovao indray ny trano. “Mba hanome endrika vaovao ny ao an-tokantrano, ilaina ny mividy entana sy fanaka vaovao”, hoy Ralantonirina Aurelie, renim-pianakaviana iray. “Satria taona vaovao no iainana, mila soloina vaovao manaraka izay, ny entana efa tonta sy efa ratsy ao an-tokantrano”, hoy kosa Randrianandrasana Lova, renim-piankaviana hafa. Nilaza izy fa mba hitondra fanambinana sy fahatsarana eo anivon’ny trano ny antony hafa.
Anisan’ny zavatra tsy adinon’ny renim-pianakaviana ny manaingo ny varavarankely sy varavarambe amin’ny fampiasana lambam-baravarana. Manome endrika ny trano sy mahasarika ny mason’ny olona izy ireny ka tsy azo atao ambanin-javatra. “Efa fahazarana isaky ny taona vaovao ny manolo ireo kojakoja maro samihafa ao an-trano, indrindra ny lambam-baravarana”, hoy hatrany ity renim-pianakaviana ity. Amin’ny ankapobeny, 2 000 hatramin’ny 15 000 Ar ny iray metatra amin’ny lamba fanamboarana izany eny an-tsena. 20 000 hatramin’ny 30 000 Ar kosa ny lambam-baravarana efa vita voatra. Mahaliana ny renim-piankaviana ny mividy ny entana mbola tsy voazaitra.
800 000 hatramin’ny 50 000 000 Ar
Zava-dehibe sy manan-danja eo anivon’ny tokantrano iray ny fanaka ao amin’ny efitrano fandraisam-bahiny. Mahalafo fanaka telo isan-kerinandro ny mpivarotra izany tao anatin’ny taona vaovao no ho mankaty, raha ny fanazavan’ny mpivarotra iray, etsy 67 ha. Be mpanjifa sy be mpitady ny karazana seza sy latabatra fanao ao amin’ny efitra fandraisam-bahiny sy ny vata fitoeran-damba ao amin’ny efitrano fatoriana. Arakaraka ny hangezany sy ny kalitaon’ny hazo ampiasaina ny hamaritana ny vidin’ny fanaka iray, raha ny fanazavana hatrany. Eo anelanelan’ny 800 000 Ar hatramin’ny 1 400 000 Ar ny vidin’ireo fitoeran-damba vita amin’ny kesika. Manodidina ny 1 000 000 Ar hatramin’ny 60 000 000 Ar kosa ny vidin’ny fanaka vita amin’ny hazo voamboana. Mpivady vao sy ny olona vao nahavita trano ny ankamaroan’ny mpanjifa. Maro amin’ny magazay sy mpivarotra eto an-dRenivohitra no manao tolotra sy fihenam-bidy ho an’ny mpanjifa, araka izany. Mba hahafahana misintona ny mpanjifa hividy ny vokatra.
Tsy voatery mividy fa manatsara ny fanaka efa misy
Mba hialana amin’ny fividianana fanaka matetika, azo atao tsara ny mamerina sy manavao izany ho toy ny taloha, ho lasa endrika vaovao indray. Amin’ny alalan’ny tekinika tsotra nefa azon’ny rehetra atao. Fanampin’izay, azo atao ny manaingo ny trano amin’ny alalan’ny ravi-maitso isan-karazany. Tsy manome fomba fijery vaovao ihany fa manadio ny rivotra ao an-trano izy ireny. Esorina ihany koa ny ambaniny amin’ny lamba fanao eny amin’ny varavarankely sy varavarambe. Safidiana tsara ihany koa ny karazan-damba fampiasa. Mba hampidi-drivotra sy tara-pahazavana ao an-trano. “Manome fiainana tsara sy manome hazavana ary rivotra hiparitaka ao an-trano ny fanaovana izany. Tsara ny hamindrana na hamadibadihana ny toeran’ny fanaka ao an-trano. Manampy amin’ny fiatrehana ny vaninandro hoavy tahaka ny fahavaratra sy manome endrika vaovao ny ao an-trano izany.
Ankoatra izay, ezahina ny mampiasa ireo karazana hanitra fampiasa ao an-trano. Toy ny menaka manitra, ny hanitra avy amin’ny voasarimakirana, avy amin’ny lamba rongony, fofom-boninkazo…. Manampy hanazava ny toetran’ny olona sy manampy hahatsapa ny fahadiovan’ny trano izany.
Nanatontosa : Mino