Nikela sy kobalta: mitotongana ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena

Nidina hatrany amin’ny antsany ny vidin’ny nikela sy kobalta eo amin’ny tsena iraisam-pirenena nanomboka ny taona lasa teo. Vokatry ny zava-misy maneran-tany izay miantraika amin’ny sehatry ny toekarena izany.

Tsy nitsaha-nitotongana ny vidin’ny nikela sy kobalta eo amin’ny tsena iraisam-pirenena nanomboka ny volana janoary 2023. Nidina hatrany amin’ny antsasa-bidy ihany koa izany amin’izao. Ankehitriny, manodidina ny 16 000 dolara ny iray taonina amin’ny nikela raha toa ka 30 000 dolara izany tamin’ny taon-dasa. Amin’ izao, manodidina 28 400 dolara ny vidin’ny kobalta raha toa ka nitentina 50 000 dolara izany teo aloha. Antony nahatonga izao ny zava-misy ma­neran-tany eo amin’ny sehatry ny toekarena izay tsy marin-toerana. Mitobaka ihany koa ny tolotra nikela eo amin’ny tsena noho ny fahatongavan’ ireo tetikasa vaovao mpitrandraka. Ny taona 2023, manodidina ny 36 000 t vokatra nikela avy ao Ambatovy, raha 3 300 t kosa ny kobalta. Taham-pamokarana manakaiky ny 40 000 t izay mbola anisan’ny marin-toerana nandritra ny taona vitsy. Na izany aza, nihena 48,4% sy 4,1% ny vokatra naondran’i Madagasi­kara, araka ny tatitra navoa­kan’ny Banky foiben’i Ma­da­gasikara (BFM), ny volana no­vambra 2023. Notohizany fa midina hatrany amin’ny – 54,1% sy -3,4% ny vidin’izany eo amin’ ny tsena iraisam-pirenena.
Fepetra
Nandray fepetra avy hatrany Ambatovy hiantohana ny fitohizan’ny fihodinan’ny orinasa. Misy ny ezaka anatiny hampihenana ny fandaniana eo anivon’ny orinasa. Voatery nahemotra ihany koa ireo tetikasa hotanterahina amin’ity taona ity izay mahavoakasika ireo orinasa tokony hanao izany. “Fepetra tsy maintsy raisina ireo na dia sarotra aza mba hiatrehana ny zava-misy eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ka hahafahan’Ambatovy manohy ho mpiombon’antoka manan-danja hatrany ho an’i Madagasikara”, hoy ny fanazavana voaray. Tsy mbola ao anatin’ny fandaharam-potoana ny mety ho fivarotana ny orinasa. Noho izany, manamafy ny fahavononany hamokatra nikela sy kobalta tsara kalitao ny orinasa. Tombony lehibe ho an’ny firenena ny fananana an’Ambatovy.

Henintsoa Hani

Partager sur: