Seho goavana hatrany. Sady fanolorana ilay rakikira vaovao, faha-10, tamin’izay notontosain’ny Tanora Masina Itaosy ny amin’ny alahady izao.
“Ny tia dia…manolotra ny ainy ho an’ny sakaizany”. Izay andalana nalaina tamin’ny Soratra masina izay no lohahevitra hitondrana ny fampisehoana goavana, hotontosain’ ny Tanora Masina Itaosy. Hatao etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina izy io, ny alahady 11 febroary izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Fotoan-dehibe efa nifanomezana, ary efa anatin’ny fanomanana tanteraka ny TMI amin’izao fotoana.
“Natao ho seho fampahafantarana ny rakikira vaovao izy ity”, hoy ny nambaran’ny tomponandraikitra. “Hafa ny taloha” ny lohatenin’ny rakikira, izay hivoaka amin’ny endriny “Clé Usb 8Go”. Hira 12 no voarakitra ao, ka ny iray amin’ireo ihany no efa nivoaka taloha fa naverina.
Araka izany, hoentin’ny TMI an-tsehatra ny 80 isan-jaton’ireo hira voarakitra. “Mazava loatra fa hataonay avokoa ireo hira nahafantarana sy andrasan’ny besinimaro, satria haharitra ora 4 be izao ny fiarahana”, hoy hatrany ny fanazavana. Raha ny vinavina, hiavaka noho ny seho goavana nentina namaranana ny faha-30 taona tamin’ny taon-dasa izy ity. Vao miditra ny efitrano fotsiny mantsy dia hahatsapa izay fihavahana izay, raha ny fampanantenana hatrany.
Hisy ny vahiny tsy ampoizina, izay asain’ny TMI hiara-hihira amin’izy ireo eny antsefantsefan’ny seho eny. Hisy ihany koa ny soradihy handravaka ireo hira sasantsany amin’io fotoana io.
Tsy nitsaha-nitombo ireo mpankafy an’ity antoko mpihira avy ao amin’ny Fiangonana loteriana eto Madagasikara eny Itaosy ity, nandritra izay 30 taona mahery izay. Mbola mitohy hatrany izany, raha tarafina amin’ny mpanaraka azy ireo anaty seho sy any anaty tambajotran-tserasera. Nisy, ohatra, ny “Challenge Tik-Tok” notontosaina tamin’ ilay hira “Ny tia dia…”, ka marobe ireo nandray anjara tamin’izany. Homen’ny TMI fankasitrahana ireo efatra heverina fa mendrika indrindra. Manentana ireo rehetra hijery ny seho amin’ny alahady mba hanao mena, na ampahany kely amin’ny fitafiana aza ny TMI. Marihina ihany koa fa handeha mivantana, “live streaming” ao amin’ny www.sehatra.com ny seho, hoan’ireo any ivelany sy ireo tsy ho tafiditra etsy Mahamasina.
Zo ny Aina