Telo lahy tratra: 10 000Ar ny tangozana katy eny 67 ha Avaratra

Naiditra am-ponja vonjimaika rehefa avy natolotra ny fampanoavana afakomaly, ireo telo lahy voarohirohy ho nanao trafikana zava-mahadomelina katy. Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny sampandraharaha miady amin’ny fiparitahan’ny zava-maha­domelina Anosy (Stup) teny 67 ha Avaratra, ny 5 febroary 2024 teo, izy telo lahy voarohirohy ireo noho ny fivarotana katy. Maro ny fitarainan’ireo ray aman-dreny sy ny mponina eny amin’ny manodidina an’i 67 ha noho ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina. Momba ny fisian’ireo tambajotrana mpivarotra katy eny 67 ha Ava­ratra iny no tena mampitaraina ny olona. Maro ireo mpia­natra sy ankizy lasa manaotao foana ary miteraka fiankinandoha mihitsy aza ny fanjifana ity karazan-java-mahadome­lina anisan’ny ankafizin’ny tanora ity. Manoloana izany, nidina ifotony ny polisy nijery ny zava-misy ka voamarina tokoa ny fisian’ireo andian’ olona mpanao trafikana katy. Tratra teo am-pivarotana izany ny lehilahy telo. Mbola nahi­tana katy milanja 36,100 grama teny amin’izy ireo. Nilaza izy ireo, nandritra ny famotorana nataon’ny polisy, fa 10 000Ar no amarotana ny tangozany iray. Iray volana no nanaovan’ izy ireo ity asa ratsy ity. Niaiky ny heloka vitany izy ireo nandritra ny famotoran’ny polisy. Avy any amin’ny faritra avaratry ny Nosy no hakana ireto zava-mahadomelina ireto ka entina amin’ny alalan’ny fiara tsotra na taksiborosy, raha ny fanazavan’izy ireo hatrany.

J.C

Partager sur: