Toamasina : mpitondra Bajaj mpanary zanaka

Nosamborina omaly ka efa miatrika fanadihadiana eny amin’ny polisy ilay raim-pianakaviana sy ny vadiny ary ny sakaizan’io raim-pianakaviana io. Voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fandaozana ilay zazakely tao amin’ny Hopitalibe. Efa fanaon-dRabenantenaina, mpitondra Bajaj, ny manary zanaka sy izay vehivavy sakaizany, raha ny fanazavan’i Mamisoa renin-janak’ilay mpamily Bajaj. Ny talata teo, nisy tsy fahasalamana ity zazakely ity ka nentina notsaboina tao amin’ny Hopitalibe Toamasina, sampana misahana ny ankizy. Naharitra efatr’andro ny reniny sy ilay zanany no tao amin’ny Hopitalibe. Tsy nipoitra na mba hividy fanafody aza ilay rain-janany kanefa tazana eo anoloan’ny Hopitalibe isan’andro ny bajaj entiny miandry mpandeha. Naniraka olona nanara-dia azy ilay renin-janany ka nahita io olona io fa misy sakaizany ny iray amin’ireo mpanadio trano fivoahana sy mpamafa trano ao amin’ny sampana « chirurgie ». Voalaza fa mitondra vohoka koa io vehivavy sakaizany io. Mody apetrany eo anoloan’ny Hopitalibe ny Bajaj dia lasa miresaka amin’ilay sakaizany ao amin’ny hopitaly izy, araka ny fijoroana vavolombelona nataon’io renin-janany io hatrany. Io sakaizany io ihany anefa no manome ny vola atao versement aorian’izay. Raha nivoaka ny hopitaly ilay renin-janany niaraka tamin’ny zanany dia mody niditra tao amin’ny trano fivoahana. Niangavy ity sakaizam-badiny izy mba hitazona io zaza io vetivety. Napetrany tamin’io vehivavy nasainy nitazona io zanany io koa ny laharan’ny finday an’io vadiny io.

Sajo

Partager sur: