Nisokatra ny taona 2013 ny tranombarotra Cosmos, misehatra amin’ny fivarotana kojakoja madinika sy vaventy ao an-tokantrano. Nikarakara lalao «Tombola» ity orinasa ity, tany amin’ireo magazay miisa 18 manerana ny tanàn-dehibe eto amin’ny Nosy, ny 6 desambra 2023 hatramin’ny 14 janoary 2024. Afaka nandray anjara daholo ny mpanjifa nividy kojakoja tao amin’ny Cosmos. Natao ny 29 janoary teo ny antsapaka, teo anatrehan’ny polisin’ny lalao, nahazo alalana tamin’ny sampandraharahan’ny loteria (SEL). Nozaraina ny 5 febroary ny loka, tany amin’ny faritany ary ny 6 febroary, ho an’ny eto Antananarivo.
Miisa 25 ny lokabe nozaraina, ka fandehanana miala sasatra any Dubaï ho an’olon-droa ny voalohany, moto Loncin 125 CC, ny faharoa, fanaka ho an’ny trano fatoriana ny fahatelo, fanaka ho an’ny trano fandraisam-bahiny (salon) ny fahefatra, finday smartphone TCL 306 ny fahadimy, ary televiziona TV TCL 32 ny 20 ambiny.
Anisan’ny mampiavaka ity tranombarotra ity ny fahafahan’ny mpanjifa mandoa tsikelikely ny entana vidiana, mandritra ny 30 volana. Eo koa ny fanaterana maimaimpoana ny entana any an-tokantranon’ny mpanjifa.
Njaka A.
Ireo magazay 18 manerana ny Nosy : Antananarivo (8) ; Toamasina (1) ; Toliara (1) ; Mahajanga (2) ; Fianarantsoa (1) ; Ambilobe (1) ; Antsirabe (1) ; Antsiranana (1) ; Taolagnaro (1) ; Sambava (1).