Nanamarika ny andron’ny 7 febroary, omaly, ny mpitondra fanjakana sy ny fianakavian’ireo namoy ny ainy, 15 taona lasa izay. Nangorom-potsy toy ny fanao isan-taona teny Ambohitsorohitra, nandritra ny fotoana nanateram-boninkazo. Nifoha indray ny tsiahy ny ra nandriaka sy ny aina nafoy noho ny fitakiana fanovana sy fiovana tamin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana.
Tratra ve anefa izao ny tanjona? Mbola anatin’ny ady mafy sy masina ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, hatramin’izao. Izay no azo ambara! ny olona manko no niova tamin’ny ankapobeny fa ny fomba fanao sy ny fomba nentina niasa, toa nifandovana tamin’ireo mpitondra teo aloha ihany.
Mbola anatin’ny tolona aza ireo mpitolona tamin’izany noho ny fanilihana sy ny fanomezana vahana ny mpijapy lamasinina am-pandehanana. Zary adinodino sy anjorom- bala ireo namelona ny lamasinina fony izy mbola vao hanainga, saingy nila angovo vaovao hamelombelona azy.
Ny olona mitovy tadin-dokanga no mahay miara-miasa. Ny mitovy tanjona no afaka mampandroso an’i Madagasikara. Tongotra miara-mamindra, tanana miara-milanja io. Tsy midika ho fitadiavana tombontsoa ny fisisihan’ny mpitolona amin’ny toerana sahaza azy. Finiavana ny hitondra ny anjara biriky, tsy hamadihana ny ra nalatsaky ny mpitolona namana fahizay izany. Mba tsy ho matimaty fahatany fa ho azon’ny taranaka tsapain-tanana aty aoriana ny vokatry ny « sorona » nataon’izy ireny.
Na izany aza, tsy azo atao kitranoantrano sy finamanamanana fahatany ny fitondrana firenena. Ilaina ny teknisiana sy ny fivelarana amin’ny ankolafy hafa, mba hampanan-karena ny fahaiza-manao eo am-panatanterahana ny asa.
r.r