Nidina 49,6 % ny vokatra lavanila naondran’i Madagasikara, taorian’ny fampihenana ho 38,8 % ny habeny sy ho 17,6 % ny vidiny. Nihena ho 9,6 % ny vola azo avy tamin’ny fanondranana jirofo taorian’ny fampihenana ny habeny ho 14,7 % na teo aza ny fisondrotan’ny vidiny, manodidina ny 6 %.
Olona telolahy no tratran’ny zandary nangalatra fantsobe (bizo), teny amin’ny lalam-pirenena fahenina, RN6, omaly 7 febroary, tao amin’ny fokontany Ambalafamity II, distrika Antsohihy. Mbola tratra niaraka tamin’izy ireo ny ampahana bizo nangalariny. Hatao fanadihadiana ao amin’ny tobin’ny zandary izy 3 lahy mialoha ny hiakarany fitsarana.
Avy any Soisa ireo fiaran-dalamby ho ampiasaina amin’ny tetikasa «Train urbain», fitaterana an-dalamby an-tanàn-dehibe. Mitohy ny fifampidinihan’ny fanjakana malagasy sy soisa mahakasika ny fiaraha-miasan’ny roa tonta, ka anisan’izany ity tetikasa ity. Tsiahivina fa tokony ho efa misokatra ity fitaterana an-dalamby ity, saingy mbola misy ny pitsompitsony teknika.
Manomboka mahazo aina tsikelikely ny vola malagasy. Omaly manodidina ny 4 875,66 Ar ny eoro raha toa ka 4 535,05 Ar ny dolara. Antony mahatonga izao, ny fihenan’ny fanafarana entana avy any ivelany. Na izany aza, mampitaraina ny mponina ny fisondrotry ny vidin’entana eny an-tsena.