Volley : ho avy eto ny CAVBZ 7

Araka ny efa nampahafantarin’ny eo anivon’ny Federa­siona malagasin’ny volley-ball, ho avy eto Madagasikara ny solontenan’ny CAVB Zone 7, hanara-maso mahakasika ny fanomanan’i Madagasikara, ny fiadiana ny tompondakan’ny klioba eto amin’ny faritra faha-7. Fantatra fa ny 15 febroary izao no ho avy eto izy ireo, araka ny loharanom-baovao avy amin’ny FMVB. Komity misahana ny fanaraha-maso miisa 9 no ho avy eto ka hiditra an-tsehatra avy hatrany amin’ny asa hataony. Ho feno dia feno ny fandaharam-potoanan’izy ireo amin’izany. Atrikasa, fivoriana hanaovana dinikasa, fanofanana isan-karazany, manomboka amin’ny andro higadonan ‘izy ireo ka tsy hitsahatra raha tsy any amin’ny fanombohan’ny lalao. Efa hitsirika avy hatrany an’ireo toeram-pilalaovana ka hijery akaiky ireo fitaovana miasa ao anatin’izany ireo Komity mpanara-maso ireo, izay tsiahivina fa ao amin’ny Lapan’ ny fanatanjahantena Mahamasina sy ny kianja mitafon’Anko­ron­drano ireo toerana hotsidihina.

Mi. Raz

Partager sur: