Nampahafantarin’ny masoivoho amerikanina ireo Malagasy tanora 11 mianadahy voafantina ho ao anatin’ny andiany faha-23 handray anjara amin’ny fiofanana “YALI RlC”, hatao any Dakar, Senegal.
Hita any amin’ny toeram-pampianarana ambony any Kenya, Afrika Atsimo, Ghana ary Sénégal ny “YALI RlC”. Manolotra fandaharam-piofanana ho an’ireo tanora mpitarika eo anelanelan’ny 18 ka hatramin’ny 35 taona ny tetikasa.
Fotoana hisian’ny fifanakalozana eo amin’ireo samy hafa firenena ary ahafahan’ny tanora Afrikanina miara-miasa amin’ny alalan’ireo fiofanana mivantana sy ampitain-davitra.
Sady mpandrindra ny fandaharanasa Rlc no mpamatsy vola ny USAID miaraka amin’ny Mastercard Foundation.
Efa hatramin’ny taona 2015 ny fandaharanasa Rlc atao any amin’ireo firenena Afrikanina. Sehatra fanararaotra ho an’ny tanora aty Afrika ahafahana mifanakalo hevitra.
Hanatevin-daharana ny fianakaviamben’ny maintimolalin’ny programa YALI ary hanohy ny fifanakalozana traikefa sy fandaharanasa maro ireo tanora rehefa tafaverina eto Madagasikara.
Tatiana A