Ady amin’ny kolikoly: hisy ny paikadim-pirenena vaovao

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra notarihin’ny filoha Rajoelina teny Iavolo­ha, afakomaly, ny firosoana amin’ny famolavolana ny paikadim-pirenena iadiana amin’ny kolikoly (SNLCC) vaovao. Mamarana ny taona fampiharana ny paikady nandritra ny 10 taona i Madaga­si­kara ankehitriny (SNLCC 2015-2025). Fotoana lavalava ny famolavolana ny paikady, izay andraisan’ny rehetra anjara toy ny sehatra miankina na tsia amin’ny fanjakana. Kendrena ho amin’ny andro iraisam-pirenena iadiana amin’ny kolikoly, ny 9 desambra 2024, no hampahafantarina ny paikady vaovao ho amin’ny 10 taona manaraka.
Dingana amin’izany ny fanaovana tombana sy jery todika ny paikady taloha, hahalalana ireo sakana sy hanitsiana izay tsy nety amin’ny paikady vaovao. Eo koa ny fananganana komity hitarika ny famolavolana; ny famaritana ny tanjona vaovao: ny laharam-pahamehana ao anatin’ny antonona sy lavitra ezaka, ny fanohizana ny ezaka efa natomboka ao anatin’izao 100 andro voalohan’ny governamanta izao; ary ny famolavolana drafi-panatanterahana ny paikady vaovao sy ny drafi-panaraha-maso sy tombana ny fanatanterahana.
Ny filohan’ny Komity fitandroana ny fahitsiana (CSI) no mitarika ny komity, ahitana ny solontenan’ny filohan’ny Repoblika, ny solontenan’ny governemanta, ny solontenan’ny Praiminisitra, ary ireo rafitra miady amin’ny kolikoly. Ny Pnud sy ny ONUDC kosa no manohana amin’ny vola sy teknika ny famolavolana. Amin’ny ala­lan’ny didim-pitondrana no hananganana ny komity.

R. Nd.

Partager sur: