Angovo sy herinaratra: maro ny asa hatao ao anatin’ny 100 andro

Miisa 10 ny tetikasa ho henjehin’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH) ato anatin’ny 100 andro, fetr’andro napetraky ny filoham-pirenena. Anisan’izany ny fananganana toby mamokatra herinaratra, indrindra ny avy amin’ny masoandro.

Tetikasa maro no tanterahin’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo, izay efa natomboka sady tohizana. Nampidirina ao anatin’ny fe-potoana 100 andro ny hamitana azy ireo, mba hipaka any amin’ny vahoaka ny fiantraikany. Anisan’ny andalam-pahavitana ny fananganana toby ma­mokatra herinaratra 105 MW hampihodinina amin’ny menaka mavesatra (fuel) eny Ambo­himanambola. Miisa 27 ny toby mamokatra herinaratra amin’ny herin’ny masoandro hapetraka ka efa vita tanteraka ny 4 (Ta­nan­dava Morondava, Marovato sy Ambohitriniandriana, Amban­­ja, Ampondrolava Ambilobe). Miisa 20 ny toerana nametrahana tambajotra madinika ma­mokatra herinaratra avy amin’ ny masoandro, ka eo am-panaovana andrana ny roa (Bela­moty, Betioky, sy Befan­driana Atsimo, Morom­be).
Mahatratra 200 000 ny tokantrano hizarana kojakoja herinaratra avy amin’ny ma­soandro manerana ny faritra 13. Miisa 47 ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro. Miisa 300 ny kaontenera hitondra azy ireo, ho avy amin’ny febroary sy marsa 2024.
Kaonteran-jiro miisa 50 000
Mahatratra 376 isa amin’ny 1 500 ny jiro manazava arabe mandeha amin’ny masoandro efa tafapetraka. Kaontera 50 000 isa no hampidirina ao anatin’ny 100 andro, ka efa tonga eto Madagasikara ny 25 000 amin’izany, izay kaontera efa aloa vola mialoha (compteurs prépayés). Efa tafapetraka ny 6 947 amin’ireo any amin’ ny kaominina miisa 7 eto Anta­nanarivo sy ny manodidina.
Misy tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny solika sy amin’ny herin’ny ma­soandro (hybrides) hatsangana any Sainte-Marie (1Mw) sy 1,5 MW any Mananara Avaratra. Miisa 1 000 ny andrin-jiro « béton » hanoloana ny andrin-jiro hazo efa lo, ka efa tafapetraka ny 81.
Manampy ireo ny fampidirana herinaratra any amin’ny CSB II sy ny tanàna vaovao haorina any Miarina sy Fiefe­ramanga.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: