Tanterahina ny 10 febroary 2024 hatramin’ny 24 febroary 2024, eny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba, ny fampirantiana «Edouard Rajaona, 50 ans de peinture». Fampirantiana ahitana ny hosodokon’i Edouard Rajaona, anisan’ny oloben’ny hosodoko malagasy. Natao izany ho fanomezam-boninahitra ity Malagasy mpanao hosodoko ity sy ho fankalazana ny faha-50 taona niseharany teo amin’izany haikanto izany.
Andrarezina sy oloben’ny haikanto malagasy, indrindra ny sehatry ny hosodoko, i Edouard Rajaona. Anisan’ny nampiavaka sy nahafantaran’ny maro azy ny nandrombahany ny amboara nandritra ny fifaninanana « Char Fleuri », ny taona 1950. Teo ihany koa ny fifaninanana sary sokitra, nokarakarain’ny IFM, tamin’izany fotoana izany, fony izy ireo mbola CCAC.
Lin