Ny lefiny no ahina ho atidoha nikotrika ny famonoana ilay ben’ny Tanàna. Olona 32 naiditra am-ponja vonjimaika. 20 lahy nalefa eny Tsiafahy, 12 ao Ankazobe ka vehivavy ny sivy.
Mpamosavy malemy ! Ny lefitr’ilay ben’ny Tanàna tao Andranomiely, Ankazobe ihany no ahina ho atidoha nikotrika ny famonoana azy, ny alin’ny 7 janoary 2024. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny fampanoavana sy ny zandarimariam-pirenena mahakasika izany. Olona 24 hafa indray no nosamborina ka naiditra am-ponja vonjimaika, omaly. Lehilahy 15 notazonina vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, aty an-drenivohitra. Lehilahy iray sy vehivavy fito kosa nalefa ao amin’ ny fonjaben’Ankazobe. Vehivavy iray hafa eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana.
Nanamafy ny fanadihadiana hatrany ny zandary ao amin’ny vondron-tobim-paritry zandarimariam-pirenena Ankazobe, niara-niasa akaiky tamin’ny sampana fikarohana heloka bevava eo anivon’ny zandarimariam-pirenena (Secres) Fiadanana. Anisan’ ireo nosamborina ny lefitry ny ben’ny Tanànan’ny kaominina Andranomiely. Henjana ny vesatra iampangana ity tomponandraikitra faharoa eo anivon’ ny kaominina ity. Ahina ho atidoha nikotrika izao vonoan’ olona feno habibiana izao izy.
Efa nomanina…
Tafakatra 32, araka izany, ny olona naiditra am-ponja ka vehivavy ny sivy. Efa nisy ny miaramila sy ny lehiben’ny fokontany ary olon-tsotra voarohirohy ho tompon’antoka.
Nohamafisin’ny tonia mpampanoa lalàna, eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Ankazobe, fa nenjehina ho mpiray tsikombakomba tamin’ny famonoan’olona efa nomanina no tena antony nisamborana ireto voampanga ireto. «Sazy, asa an-terivozona mandra-pahafatiny no voafaritry ny lalàna amin’ny fanenjehana toy izao raha voafaritry ny fitsarana ady heloka bevava ny mahameloka ireo voampanga», hoy hatrany ny fanazavan’ny tomponandraikitra voalohany eo anivon’ny fitsarana ao Ankazobe. Nambarany fa mbola mitohy hatrany ny famotorana ny raharaha eo anivon’ny fitsarana.
Taorian’ny famotorana teo anivon’ny fampanoavana, naiditra am-ponja avy hatrany ireo voampanga miandry ny fotoam-pitsarana azy ireo.
J.C