Vahaolana entina hampihodinana ny fiainana andavanandro sy ny tontolon’ny fandraharahana ny fisitrahan’ny tokantrano tsirairay ny angovo azo havaozina. Nampahafantarina, omaly, tetsy amin’ny Carlton Anosy ny tetikasa «Financement intégré pour les énergies renouvelables » (FIER), tahirim-bola ho an’ny angovo azo havaozina. Tetikasa hanaovana tohana ara-teknika sy ara-bola ho an’ny sehatra tsy miankina mandraharaha ao anatin’ny famatsiana angovo. Entina hamolavolana ireo orinasa mba hahafehy ny tontolon’ny angovo sy hahazoana ny famatsiam-bola. Noho izany, misokatra ho an’ny sehatra tsy miankina ny antso ho an’ny tetikasa (appel à projet) ho an’ny fampiroboroboana ny FIER eto Madagasikara. Nampahafantarina nandritra izany ny rantsana hifampizarana ireo ambana mety hiseho amin’ny fampiasam-bola ny angovo eto an-toerana. «Tsy ijanona eto an-dRenivohitra ny tetikasa fa hiparitaka any amin’ny faritra samihafa. Hitondra ny anjara birikiny ny sehatra tsy miankina”, hoy ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoran’afo, Andriantsoa Thierry.
Vina
Laharam-pahamehana ho an’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana ny fampiasana ny angovo azo havaozina. Manodidina ny 35% ny mponina misitraka herinaratra eto Madagasikara, ka eny ambanivohitra ny 15% amin’izany. Tanjon’ny tetikasa ny hampakarana ny salan’isa ho 75%, ho an’ny taona 2030. Mitentina hatrany amin’ny 9 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola hanatanterahina ny tetikasa FIER mandritra ny efa-taona (avrily 2022- marsa 2026).
Henintsoa Hani