Hitsidika ny distrikan’i Moramanga, faritra Alaotra Mangoro, ny filoha Rajoelina, anio. Hotokanana amin’izany ny Sekoly ambaratonga fototra faharoa, ny ivontoerana ho an’ny olona manana fahasembanana sy ny zokiolona, ny tranoben’ny serasera sy ny kolontsaina, ny kianja manara-penitra, ny tetezana Mangoro izay vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny governemanta japoney.
Tsy hisokatra ny fitsarana, Anosy, anio. Antony ny fambolen-kazo hataon’ny fianakaviamben’ny fitsarana eny Tsiafahy. Tsy hiasa koa ny firaketan-draharaha eo anivon’ny fitsaranara ary tsy hisy ny fotoam-pitsarana.
Araka ny fandaharam-potoanan’ny Antenimierampirenena, anio zoma 09 febroary 2024, amin’ny 11 ora atoandro, no mifarana ny fivoriana tsy ara-potoana voalohany tamin’ity taona ity. Hatao ao amin’ny Lapan’i Tsimbazaza izany, izay tarihin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine.